Ruffine Tsiranana: Hiala ao Frantsa ny alarobia 27 febroary ny nofo mangatsiakany

  • mardi, 26 février 2019 13:59
  • Britto
  • Sary nindramina

Nodimandry ny 23 febroary 2019 tao Paris renivohitr’i Frantsa teo amin’ny faha-80 taonany i Ruffine Tsiranana. Hiala ao Frantsa ny alarobia 27 febroary ny razana ka higadona eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny alakamisy 28 febroary amin'ny 3 ora maraina.

Hivantana eny amin’ny trano fonenany ao amin'ny « Villa Soamandina » Tsiadana ny razana ary handrasana ao.

Ny alahady 3 martsa maraina be ny nofo mangatsiakany no hiala ao amin'ny « Villa Soamandina » ka ho entina any Anahidrano Antsohihy. Hisy ny fotoam-pivavahana hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny tranon’ny filohan’ny Repoblika Voalohany sady rainy rahateo, alohan'ny hanafenana azy ao amin'ny fasan-drazany ao Anahidrano ny alatsinainy 4 martsa tolakandro.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.