Port-Bergé: Paraky gasy 19 gony saron'ny Polisy

  • lundi, 25 février 2019 21:11
  • Britto

Milanja iray taonina eo ireto paraky gasy saron'ny Polisy nandritra ny fisavana teo amin'ny sakana eo ampidirana an'i Port-Bergé ny marainan'ny sabotsy teo.

Araka ny lalàna tamin'ny 2017 dia ny OFMATA ihany no mahazo manao fandraharahana paraky raha tsy nahazo alalana manokana, tsy nisy taratasy fahazoan-dalana ireto paraky gasy ireto ka izay no nigiazana avy hatrany azy ireo.

Natolotra ny OFMATA ny entana, handoa onitra kosa ny tompony, "fourrière" ny fiara nitondra azy.

175 taonina ny paraky voaangon'ny OFMATA ny taona 2018.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.