Antsirabe: Naaton'ny mpanolotsaina tamin'ny asany ny Ben'ny tanàna Razanakolona Paul

  • lundi, 25 février 2019 20:36
  • Britto

Izay no fanapahan-kevitry ny mpanolotsaina nandritra ny fivorian'izy ireo androany.

Miisa 19 ny mpikambana ao amin'ny filankevitry ny tanàna, 15 no tonga nivory ka ny 14 nandany ny fampiatoana amin'ny asa maha Ben'ny tanàna azy an'i Razanakolona Paul Ramasitera. Nanao vato fotsy ny iray.

Manana olana amin'ny fitantanana, indrindra ara-bola ny Kaominina ambonivohitra Antsirabe. 10 volana ny karaman'ny mpiasa tsy voaloa izay nitarika fitokonan'ny mpiasa efa herinandro izay.

Nanilika ny rihitra tamin'ireo mpikamban'ny delegasiona manokana nitantana ny tanàna teo alohany ny Ben'ny tanàna ka vao maika nitarika tamin'ny ampamoaka, ary nifampitory tany amin'ny Fitsarana, ary tonga amin'izao fampiatoana azy amin'ny asa izao. Na ireo mpanolotsaina iray lisitra taminy aza mitsipaka azy ankehitriny.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.