Fananantany: Miisa 200 ireo “Inspecteurs des domaines” eto Madagasikara

  • lundi, 25 février 2019 20:31
  • Britto
  • Sary : MAHTP

Nilaza ny tale jeneraly vaovao misahana ny fananan-tany, Ratolorantsoa Petera, fa « tsy maintsy aparitaka manerana ny nosy izy ireo mba hanatsarana sy hanafainganana ny fikarakarana ny antontan-taratasin’ny fananan-tany ».

Nanamafy hatrany ity Tale Jeneraly vaovao ity fa « tsy ho ekena intsony ny fahatarana sy fitarazoana eo amin’ny fanomezana ny taratasy mahakasika ny fananan-tany ».

Tontosa ny 22 febroary teo ny famindram-pitantanana teo amin’ny tale jeneralin’ny fananan-tany teo aloha Rasolomampionona Hasimpirenena sy ny tale jeneraly vaovao Ratolorantsoa Petera.

(Jereo sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.