Soanierana - Boriboritany faha-4: Nihotsaka tsy azo alefa ny arabe vokatry ny oram-baratra

  • lundi, 25 février 2019 16:05
  • Britto
  • Sary CUA

Fianakaviana miisa 9, izay ahitana olona 54 no tsy maintsy nafindra toerana satria tandindonin-doza ny trano fonenan’izy ireo noho ny fihotsahan’ny ampahan-dalana mampitohy ny Descours sy Soanierana Ambony, mihazo ny toby miaramila CAPSAT, ao anatin’ny Fokontany Soanierana III- I, Boriboritany faha-4, Kaominina Antananarivo Renivohitra.

Tamin’ny 19 janoary 2019 no efa nanomboka niletsy ny rarivato tamin’io toerana io, noho ny oram-baratra, vao mainka nandavaka vokatry ny orana nisesy ny herinandro lasa iny, indrindra ny sabotsy 23 ny volana febroary 2019, ka tsy maintsy noraisina haingana ny fepetra ho fisorohana ny loza hafa mety hitranga.

Tapaka tanteraka ny lalana, na ny moto aza dia tsy afaka mandalo amin’izany toerana izany, mandra-pahavitan’ny fanamboarana ny lalana tanterahan’ny Kaominina.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.