Ambanja: Lasan’ny jiolahy mitam-basy ny volan’ny Sinoa 200 tapitrisa Ariary mahery

  • jeudi, 21 février 2019 14:47
  • Britto
  • Sary nomena

Sinoa mpandraharaha dingadingana (concombre de mer) no notafihin’ny jiolahy efa-dahy mitam-basy teo Tanambao ny talata 19 febroary tokony tamin’ny 9 ora sy sasany alina. Naratra ny iray tamin’ireo Sinoa, tsy nisy maty.

Taim-bala 7 hita, 6 eo ampelatanan’ny Polisy nijery teny an-toerana. Bala iray tsy niasa kosa latsaka tamin’ny tany, ka hitan’ny Fokonolona ary naseho vahoaka. Ity farany mitondra laharana 539 74.

Lasan’ny jiolahy ny vola 200 tapitrisa Ariary tamin’ireo Sinoa.

(Jereo Sary Tohiny)

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.