Anjialavabe – Sambava: Nisy namaky ny fasan-drazana

  • mercredi, 20 février 2019 09:25
  • Zakaria

Vatapaty miisa 58 no nikorontana nisy namaky, ary fasan-drazana lehibe misy sivy no nisy nanokatra. Omaly 19 febroary no nitrangan'izany tao amin'ity Kaominina Anjialabe, Distrika Sambava ity.

Rehefa nataon’ny Fokonolona ny fijerena ifotony ny zava-nitranga tao amin'ny fasana antsoina hoe : Ambosikidihely dia tsy nisy nihetsika ny taolam-paty fa ny vola izay nampanarahana ny maty, fanao amin’iny faritra iny, manomboka eo amin'ny 2000 Ar no midina eo, izay maro tokoa, no lasa avokoa.

Efa nanao ezaka ny tao an-toerana nandamina ireo Razana niparitaka eraky ny fasana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.