Andilana Nord-Amparafaravola: Roa lahy maty tototry ny tany

  • lundi, 11 février 2019 22:25
  • Britto

Namoizana ain'olona ny fitrandrahana eladrano tao amin'ny Kaominina Andilana Nord, Distrika Amparafaravola.

Androany tamin'ny roa ora tolakandro no niseho ny loza. Mpitrandraka efa-dahy no tototry ny tany, ka roa tamin'ireo namoy ny ainy.

Mpiavy avy any amin'ny Kaomina Morarano Chrome, Distrika Andilamena ireto tra-doza ireto.

Efa ho roa taona teo izay ity toeram-pitrandrahana ity. Sambany io loza io

Mbola tavela any anaty lavaka manana halalina 5m any ny razana hatramin'ny hariva teo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.