Toamasina: Ravan’ny polisy ny tambazotra iray mpanao fanafihana mitam-piadiana

  • lundi, 11 février 2019 16:08
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Toamasina

Ny atoandron’ny zoma 8 febroary teo no saron’ny Polisy ny Boriborintany I ao Tanambao I ity tambazotra ity, miaraka amin’ireo fitaovam-piadiana fampiasan’izy ireo, niampy ody gasy ho fiarovan-tenan’ireto andian-jiolahy ireto.

Efatra no tratra ka vehivavy ny telo, izay vao tera-bao iray volana ny iray. Karohina fatratra ny naman’izy ireo ary efa nisy ny fanapariahana ny sarin’izy ireo.

Hatolotra ny Fampanoavana ny alatsinainy 11 febroary izy efatra mianadahy tratra ireto.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.