Andriamena-Tsaratanana: Olona telo nisy naka an-keriny, mitaky 10 tapitrisa ireo jiolahy
- dimanche, 10 février 2019 00:13
- Britto
Ny zoma 8 febroary tamin'ny sivy ora alina no nitranga ity fakana an-keriny ity, tao amina tanàna 2km miala ny renivohitry ny Kaominina Andriamena.
Mpivady miampy tovolahy iray no nalain'ny jiolahy an-keriny. 10 tapitrisa Ariary no takian'ireo jiolahy ho tambin'ny famotsorana azy mivady. Nihena ho 8 tapitrisa Ariary izany androany, araka ny fampitam-baovao nataon'ny depioten'i Tsaratanana teo aloha.
Nanamarika ity farany fa olona miady ary mifampitory any amin'ny Fitsarana ireto mpivady sy ilay tovolahy nisy naka an-keriny ireto.
Ankoatr'ireo mpiasan'ny Kraoma, dia nisy ihany koa talohan'ity tranga ity, olona efatra nalaina an-keriny, ka Chef ZAP Tsaratanana II ihany koa no nisy naka an-keriny tao Tsaratanana.
Mandeha ny fikarohana azy ireo amin'izao. Misy Zandary avy amin'ny vondrona GSIS nalefa nanampy ireo namany efa any an-toerana hiady amin'ireo mpaka an-keriny sy hamerina ny fandriampahalemana amin'ity Distrika ity.
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.