Ambanin’Ampamarinana sy Tsimialonjafy: Tapitra ny fe-potoana nomena ireo mponina mba hialàna eny an-toerana

  • vendredi, 08 février 2019 10:39
  • Britto

7 febroary 2019 ny fe-potoana farany nomen’ny fanjakana ireo mponina monina, 70m manodidina ireo vato mandondona ahiana hianjera amin’iny faritra avo, ao amin’ny Boriboritany faha-4 iny, mba ho fitsinjovana azy ireo.

Fianakaviana miisa 339 eo no voakasika mivantana amin’io. Maro amin’izy ireo no mikiry ny hijanona eny, na eo aza ny fandraràna ataon’ny fanjakana, ka hiditra an-tsehatra ny miaramila hanàla ireo izay tsy manaiky ny hifindra eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka sy Village Iharinarivo Ambohidratrimo, ankoatra ny toby vonjimaika eo amin’ny INFP Mahamasina.

Mihevitra ny hiroso amin’ny fanapoahana ireo vato sasany ahiana hihotsaka eny Ambanin’Ampamarinana ny fanjakana amin'ity faran'ny herinandro ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.