Fonjan’Ambalatavoahangy: Nirefotra ny basy

  • jeudi, 07 février 2019 23:08
  • Zakaria

Nanaitra ny mponina manodidina ny fonja ny fisian’ny poa-basy avy ao anatiny ny tolakandro teo. Maro ireo nihevitra fa nisy gadra nandositra indray tao amin'ny fonja.

Rehefa nohamarinina dia voatery nanapoaka basy ny mpandraharahan’ny fonja satria tsy mety manaraka fitsipika ireo Sinoa miisa 15 naiditra am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy nanomboka omaly, tao anatin’ilay sambo Flying tratra nitondra andramena tamin’ny volana desambra 2018 iny.

Tara ny mpanati-bary atoandron’izy ireo androany ka sady nikomy no manankorontana tato Ambalatavoahangy ireto Sinoa ireto, ny fiarafan'ny tolakandro teo, ka voatery nanapoaka basy ny mpandraharahan’ny fonja ho fandaminana izany.

Mangataka ny hamindrana ireo Sinoa ireo any amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny mpandraharahan’ny fonja fa mampisy olana amin'ireo voafonja sasany ny fisian'ireo ao Ambalatavoahangy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.