Ambohimanjaka-Ambohidratrimo: Vavy antitra iray maty, omby 25 lasan’ny dahalo tao anatin’ny 2 andro

  • lundi, 04 février 2019 15:17
  • Britto

Mijaly amin’ny asan-dahalo ny mponina ao amin’ny Kaominina Ambohimanjaka, Distrika Ambohidratrimo. Ny faran’ny herinandro teo izao dia Fokontany roa no nasesin’ny dahalo notafihana tao anatin’ny 48ora.

Tao Ambohidrazaka dia tsy nilentika akory ny masoandro ny zoma 1 febroary teo dia efa niakatra an-tanàna ny dahalo 14 lahy mitam-basy sady manao akanjo t-shirt mitovy tamin’ny propagandy fifidianana filoham-pirenena ny taona 2018 ireny.

Vavy antitra iray, 76 taona, maty tsy tra-drano notifirin’ny jiolahy teo amin’ny vavany. Lasan’ny dahalo ny omby miisa 22 tao an-tanàna.

Tsy mbola voalevina akory ny razana dia efa niverina nanafika tao amin’ny Fokontany Andranomasina indray ny dahalo. Omby miisa enina no lasan’izy ireo, saingy niverin-dalana ny telo, ka ny telo no lasan’izy ireo.

Miraviravy tanana ny tantsaha manoloana izao tsy fandriampahalemana mirongatra sady mihatra aman’aina izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.