Morondava: Lavon’ny Polisy i Tody, jiolahy nikoizana

  • lundi, 04 février 2019 11:40
  • Britto
  • Sary nomena

Tra-tehaky ny Polisy teto Tsimahavaobe Morondava ny alahady 03 febroary 2019 i Tody, rehefa ela nikarohana azy. Malaza ratsy amin’ny vaky trano sy vono olona ato amin’ny Faritra Menabe sy Melaky i Tody.

Halatra fitaovana informatika no manavanana azy, ary tsy mandre izay ambonin’ny tany ny olona ao amin’ny tokantrano tafihiny.

Lehilahy sahabo ho telopolo taona avy eny Ankilivalo, Distrikan’i Mahabo i Tody. Efa nigadra noho ny asa ratsy nataony. Namaly ny Polisy izy io omaly io noho ny fitaovana nananany, dia basy vita gasy iray mifahana bala, miampy « pince » sy lakile maromaro. Nampiasa ny fitaovana teny aminy ny mpitandro ny filaminana.

Maty noho ny fahaverezan-dra taminy izy taorian’ny nitondrana azy teny amin’ny hopitaly. Napetraka ao amin’ny tranompatin’ny hopitalibe Namahora Morondava ny nofo mangatsiakany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.