Ambatoboeny: Mitohy ny fifampitifirana eo amin'ny Zandary sy dahalo

  • dimanche, 03 février 2019 20:03
  • Tigre

Miandry ety amin'ny arabe izao ny olona amin'izao alina izao, fa mbola tsy mivoaka ao anaty alan'Ankarafantsika ireo Zandary manenjika ireo dahalo naka an-keriny an'i Housna Ramjanaly.

Ity farany izay nalain'ny dahalo an-keriny natao takalon'aina moa dia efa tafavoaka. Ireo dahalo nitsoaka no mbola tadiavin'ny Zandary ao anaty ala izao. Toerana fanafenan'ireo dahalo omby ihany koa io toerana io.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.