Ambatoboeny: Avotry ny Zandary i Housna

  • dimanche, 03 février 2019 16:44
  • Tigre

Namelatra velam-pandrika ny Zandary, nilazana ireo dahalo fa hanatitra ilay vola 400 tapitrisa ariary notakian'ireto dahalo tamin'ny fanafihana nataondrao tao amin'ny tokantranon'ity Karana mpandraharaha ao Ankijabe, Distrika Ambatoboeny ny alakamisy 31 janoary tokony ho tamin'ny 11 ora alina, ka nandratrandreo raimpianakaviana ary nitondran'ireto dahalo 40 an'i Housna Ramjanaly ho takalon'aina.

Nipoitra ireto dahalo haka ny vola, nefa ny Zandary efa niafina tato aoriana, tao anaty ala. Tazan'ireto dahalo anefa ireo Zandary ka nindesindreo nilefa i Housna, ity farany anefa sady efa narary no reraka be dia tsy afaka nandeha, ka dia naleon'ireto dahalo ireto navela ilay takalon'aina, fa nitsoaka ireo.

Manohy manenjika ireo dahalo amin'izao ireo Zandary, i Housna kosa dia avotra soa aman-tsara.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.