HCC: Tsy azo soloina ireo Loholona voatendry

  • dimanche, 03 février 2019 16:43
  • Tigre

Nangataka ny hevitry ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ny Filohan'ny Antenimieran-doholona momba ny fahafan'ny Filoham-pirenena manova ireo Loholona voatendry, izay anjaran'ny Filoha eo anivon'ny Antenimieran-doholona.

Namaly anefa ny tetsy Ambohidahy, fa tsy misy mampiavaka ireo Loholona voafidy sy ireo Loholona voatendry amin'ny asa aman'andraikitra sahaniny, ary mitovy ihany koa ny fepotoana fiasany. Arak'izany dia namoka Tolo-kevitra (Avis) ny teo anivon'ny HCC, fa tsy azon'ny Filoham-pirenena atao ny manolo ireo Loholona voatendry ireo, izay hevitra manamafy ny Fanapahana (décision) izay efa navoakany tamin'ny 2015.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.