Ambatoboeny: Mbola eo ampelan-tanan'ny mpaka an-keriny i Housna Ramjanaly

  • dimanche, 03 février 2019 14:19
  • Britto
  • Sary nomena

Dahalo manodidina ny 40 lahy no nanafika ny tokantranon'ity Karana mpandraharaha ao Ankijabe, Distrika Ambatoboeny ny alakamisy 31 janoary tokony ho tamin'ny 11 ora alina.

Nisy Zandary telo lahy niasa, nanao fisafoana amin'ny alina tamin'ilay andro io saingy tsy afa-nanoatra, tratry ny be noho vitsy.

Naratra mafy tamin'izay ilay karana raim-pianakaviana, voakapa famaky ny lohany, nentin'ireo jiolahy nataony takalonaina kosa Rtoa Housna Ramjanaly.

Nentin'ireo jiolahy nitsofoka ny alan'Ankarafantsika ity farany, ary mifindrafindra toerana izy fa tsy mipetraka amina toerana iray ka mampananosarotra ny fikarohana.

Miditra amin'ny faha-4 andro androany no nitazoman'ireo jiolahy an'ity renimpianakaviana ity. Roa vavy, 2 sy 5 taona ny zanany. Araka ny fanamarihan'ny fianakaviany dia anatin'ny tsy fahasalamana tanteraka Rtoa Housna Ramjanaly, voan'ny kitrotro, telo andro natao sérum no izao nisy naka an-keriny izao.

Mifarimbona manao fikarohana ny Zandary avy eto Ambatoboeny ary ny ao Marovoay sy Mahajanga.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.