Saika hanala-baraka tao anaty Facebook: Tovolahy iray voasambotry ny Polisy

  • vendredi, 01 février 2019 19:28
  • Britto
  • Sary: Polisim-pirenena

Sady nampiasa sarin’olon-kafa ilay lehilahy no nanao kaonty miafina (compte fake) entina miserasera ato anaty Facebook, ary nampiresaka sy nisarizoro nandritra ny roa volana tamina tovovavy iray 18 taona. Nilaza ilay tovolahy fa mpiasan’ny « finance ». Latsa-pitiavana taminy ilay tovovavy miresaka taminy. Nasain’ity tovolahy nandefa sary mitanjaka aminy ilay tovovavy ka rehefa resy lahatra ity farany dia nandefa izany tany aminy.

Nangataka fihaonana mivatana tamin’ilay tovolahy hatrany ilay tovovavy fa mahita holazaina sy hialana milaza ho tsy afaka hatrany noho ny asany itsy voalohany. Nilaza indray ilay tovolahy nony taty aoriana, dia efa manambady ary tsy afaka miaraka amin’ilay tovovavy intsony ka nomeny « compte » iray hafa izay misy ny tena sariny ary nolazainy fa io « compte » hafa io no afaka miaraka amin’ilay tovovavy.

Tsy nanaiky mihitsy moa ity tovovavy satria tsy tiany hono ilay lehilahy amin’ity « compte » hafa ity. Nandrahona azy ilay lehilahy mpanao « compte fake » fa rehefa tsy manaiky hiaraka amin’ilay lehilahy tamin’ilay « compte » hafa nomeny ilay tovovavy dia haparitany ato anaty tambazotra sosialy ny sarin’ilay vehivavy.

Nametraka fitoriana teny amin’ny Polisin’ny PMPM ilay tovovavy ka tsy niandry ela dia natao ny fikarohana ilay tovolahy nampiasa « compte fake ». Tratra teny Tsimbazaza ny talata 29 janoary lasa teo ilay tovolahy ary niaiky ny heloka nataony fa saika hanala-baraka ilay tovovavy ao amin’ny Facebook izy raha tsy manaiky miaraka aminy ity farany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.