Andapa: Olona efa-mianaka maty nihotsahan’ny tany

  • mardi, 29 janvier 2019 09:40
  • Britto

Omaly alatsinainy 28 janoary tokony ho tamin’ny telo ora tolak’andro no nitranga ny loza tao Tsararivotra Andapa Sud, noho ny fisian'ny rotsak’orana tsy nanam-pitsaharana nandritra ny andro, tombanana ho nampihotsaka ny tany, ka avy hatrany niantefa tamin’ny tokantrano nisy an’ireto tra-doza ireto.

Ankizilahy 6 taona ny zandriny indrindra ary zokiny roa mianadahy manodidina eo amin’ny 12 taona avy, miaraka amin’ny renim-pianakaviana ireto namoy ny ainy ireto. Nieren-doza kosa ny Raim-pianakaviana izay tsy tao nandritra io fa tany an-tanimboly.

Omaly alina dia nandrasana tao amin’ny Tranom-pokonolona ireto razana ireto, izay manana fihaviana avy Ambalavoanio Sambava.

Ny Distrika sy ny fiadidiana ny tanàna no nandray an-tanana ny fikarakarana ny razana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.