Fianianana: Vita ny fianianana

  • samedi, 19 janvier 2019 10:57
  • Tigre

Nanao ny fianianany ny Filoha Andry Nirina Rajoelina:

“ Eto anatrehan’Andriamanitra Andriananahary sy ny Firenena ary ny Vahoaka, mianiana aho fa hanatanteraka antsakany sy andavany ary amim-pahamarinana ny andraikitra lehibe maha-Filohan’ny Firenena Malagasy ahy.

Mianiana aho fa hampiasa ny fahefana natolotra ahy ary hanokana ny heriko rehetra hiarovana sy hanamafisana ny firaisam-pirenena sy ny zon’olombelona.

Mianiana aho fa hanaja sy hitandrina toy ny anakandriamaso ny Lalàmpanorenana sy ny lalàm-panjakana, hikatsaka hatrany ny soa ho an’ny Vahoaka Malagasy tsy ankanavaka ”.

 

Voapetraka ny Samboady maha Filoha azy, vita ny sonia.
Manomboka izao izany dia Filoham-pirenena faharoa mandritra ny 5 taona manaraka an'i Repoblikan'i Madagasikara Andriamatoa Andry Nirina Rajoelina.

Mitohy ny fanapoahana tafondro 21 hanomezana voninahitra ny Filoha.

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.