RDC: Mangataka ny anantonana ny vokam-pifidianana ny UA

  • vendredi, 18 janvier 2019 20:40
  • Tigre
  • Sary nindramina

Taorian'ny famoahana ny vokatra vonjy maika ny fifidianana filoham-pirenena tany amin'ny Repoblika demokratikan'ny Kongo, izay niteraka sakoroka ka nahafaty olona ampolony, dia nivory ny SADC, ny CIRGL ary ny firaisam-be afrikanina UA, izay taritin'i Paul Kagame, nandraisana filoham-pirenena 10 anjara, ka miantso ny ampiantonana ny famohana ny vokatra farany any Kongo.

Namaly moa ny Kongolé fa tsy misy hidiran'ny firaisam-be afrikanina ny famoahan'ny Fitsarana avo ny voka-pifidianana raikitra.

Fantatra fa andefa delegasionina mafonja any Kongo ny firaisam-be afrikanina, ka ny Filohany Paul Kagame no hitarika izany any ny alatsinainy izao.

Androany zoma moa no amoahan'ny Fitsarana avo ny voka-pifidianana raikitra ary raha ny heno dia tsy anemotra izany ny Fitsarana avo.

(Sary nindramina  Paul Kagame Filohan'ny UA)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.