Kidnapping: Votsotra i Habib dit Houssen Zavar

  • vendredi, 18 janvier 2019 18:45
  • Tigre

Votsotra teo ampelatanan'ireo mpaka an-keriny ilay karana Habib dit Houssen Zavar, reraka mafy ny lehilahy, ary tsaboina eny amin'ny hopitaly.

Nanao ny lamina rehetra ny mpitandro ny filaminana, ka tsy mbola fantatra mazava na ny fatahorana ny ho tratra no namotsorana azy, na nisy fandoavam-bola. Manao ny fanadihadihana ny eo anivon'ny Fitsarana aty Antsiranana.

Raha tsiavivina dia efa-dahy mitam-basy no naka an-keriny an’ity karana, Indo-pakistanais, 42 taona ity ny alatsinainy 14 janoary tamin’ny fito ora hariva, teny amin’ny rue Colbert. Nentin’ireo mpaka ankeriny tamin’ny fiara Renault Laguna hatramin’ny zanak’i Houssen Zavar sy ny mpamiliny. Nisy fiara Renault Clio miloko mena nanaraka avy ato aoriana.

Fotoana fohy taorian’ny fakana an-keriny dia najanon’ireo teny amin’ny rue François de Mahy ny zanak’i Houssen Zavar sy ilay mpamiliny, nanohy ny lalana niazo an’i Lazaret Avaratra kosa ireo mpaka ankeriny sy ilay karana. Nametraka sakana amin’ireo sakeli-dalana mivoaka ny tanàna ny mpitandro ny filaminana vao nahazo fampandrenesana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.