Fianianan’ny filoha vaovao: Navakavakahana ireo mpikambana amin’ny andrimpanjakana nomena fanasana ?

  • jeudi, 17 janvier 2019 16:49
  • Britto

48ora mialoha ny hanatanterahana ny lanonana ara-pitsarana manetriketrika handraisan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenena ny fianianan’ny filoham-pirenena vaovao Andry Rajoelina etsy Mahamasina amin’ny sabotsy 19 janoary 2019, dia miakatra ny feo fa betsaka ireo tsy nahazo fanasana amin’izany, eny fa na ireo mpikambana amin’ny andrimpanjakana sy olomboafidy aza.

Voakasik’izany ireo andrimpanjakana andrin’ny demokrasia sy ny fampihavanam-pirenena (institutions émergentes garantes de la démocratie) dia ny CENI, CNIDH, HCDDED ary CFM.

Hatramin’ny fotoana anoratana dia ampahany amin’ny mpikambana amin’ireny andrimpanjakana ireny no nandefasana fanasana. Misy parlemantera tsy nahazo fanasana. Hatramin’ireo raiamandreny mpitondra fivavahana aza misy tsy nahazo.

Fanadinoana sa tsy fahaiza-mandamina sa inona no antony?
Raharaham-panjakana ifanontronan’ny samy Andrimpanjakana rahateo no resaka eto fa tsy sanatria mariazy na lanonam-pianakaviana politika ka ho ferana ny isan’ny asaina.

Mbola ny fiadidiana ny Repoblika sa ny HCC sa efa ny ao amin’ny ARENA, araka ny resaka mandeha no manapaka sy mandray an-tanana ny fikarakarana io lanonana sy ny Arofenitra manodidina izany no tonga amin’izao savoritaka izao?

Aza hadinoina ihany koa fa tsy vitan’ny hoe andrimpanjakana andrin’ny demokrasia sy ny fampihavanam-pirenena eto Madagasikara ihany koa ireo fa misolotena andrimpanjakana sy fiarahamonim-pirenena ny mpikambana mandrafitra azy ireo avy.

Ny tsy fanasana manontolo ny mpikamban’ny CENI toa mampametra-panontaniana hoe tsy hanao fifidianana intsony ve ?

Ny fanavahana ny mpikamban’ny CNIDH nomena fanasana toa mamofompofona fanosihosena zon’olombelona.

Ny tsy fahazoan’ny mpikambana manontolo ao amin’ny HCDDED fanasana ve tsy efa finiavana tsy hanaja ny tany tan-dalàna, ary ny tsy nandefasana manontolo ny fanasana ho an’ireo mpikambana 33 mandrafitra ny CFM tsy efa fahalainana hanao fampihavanam-pirenena ?

Tsy resahina intsony ny Filohan'ny Holafitry ny mpanao gazety sy ireo patron de presse marobe izay dinganina fotsiny.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.