Mangamila (RN3): Taxi-Brousse nivadika, miady aman’aina ny mpamily, vehivavy iray naratra mafy

  • jeudi, 17 janvier 2019 14:10
  • Britto
  • Sary nomena

Teto Antranokambana, Kaominina Mangamila, Distrikan’Anjozorobe amin’ny lalam-pirenena faha-3 no niseho ny loza androany alakamisy tokony ho tamin’ny 2ora sy fahefany teo.

Fiara Sprinter mpitatitra olona avy any Anjozorobe hiazo an’Antananarivo no nivadika teo ampisongonana fiara Sprinter hafa teo alohany.

Vehivavy iray maratra mafy tamin’ireo olona folo teo ho eo tao anaty fiara. Tena voa mafy, miady amin’aina ihany koa ny mpamily. Nisy ratra fa maivamaivana ny hafa.

Nentina niakatra hotsaboina any Antananarivo ireo naratra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.