Masay : Sinoa voatafika tao anaty fiara, lasan'ny jiolahy ny vola

  • mercredi, 16 janvier 2019 23:00
  • Tigre
 

Teo amin'ny "casseur de vitesse" voalohany raha avy any Ankorondrano hiazo an'Andranobevava Antananarivo faha-5 no nosakanan'ny jiolahy nitondra scooter ny fiara nitondra sinoa vavy ny tolakandro teo, nanodidina ny dimy ora hariva.

Nambanan'ny jiolahy basy mba hamoha ny varavarana ny mpamily, rehefa tsy nanatanteraka dia novakian'ireo jiolahy ny fitaratry ny fiara nisintonana ny poketra teny ampofoany sy ny kitapo nisy ny vola tao aoriana.

Efa dila ireo jiolahy tamin'ny fotoana nahatongavan'ny Polisy teny an-toerana.

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.