Paraky-Namontana : Épicerie efatra nasesin'ny jiolahy dimy mitam-basy novakiana

  • mercredi, 16 janvier 2019 22:48
  • Tigre

Napoakan'ny jiolahy in-dray mandeha ny basy kalaky teny amin'izy ireo. Nitsoaka nanavotr'aina ny olona teo Andrefan'i Mananjara (Paraky), Boriborintany faha-4 Antananarivo ny hariva teo tokony ho tamin'ny 7ora sy fahefana.

Nanapoaka basy poleta in-telo indray ireo jiolahy nampihorohoroana ny olona. Nandritra izay no nanafihan'izy ireo toeram-pivarotana iray. Niditra naka ny vola, telefaonina sy izay voarain'ny tanan'izy ireo ny telo lahy, ny roa kosa niambina tety ivelany.

Vita ny teo dia nandeha tongotra niazo an'i Namontana-Boriborintany faha-4 ireo jiolahy. Toeram-pivarotana miisa telo hafa ihany koa no nasesin'izy ireo norobaina.

Tonga teny an-toerana ny polisin'ny FIP taorian'izay.

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.