France: Claude Guéant tanakavanan'i Sarkozy voaheloka higadra heritaona

  • mercredi, 16 janvier 2019 21:14
  • Tigre
  • Sary nindramina

Nanao fampakarana hatrany ity minisitry ny atitany tanankavanan'i Filoha Frantsay teo aloha Nicolas Sarkozy, tamin'ny raharaha fanodikodinam-bola fony izy sekretera jeneralin'ny présidence, fa nilatsaka ny didy tsy azo ivalozana intsony, midoboka heritaona.

Tamin'ny 2013 dia nahatrarana vola 500 000 Euro tao amin'ny kaontiny amin'ny banky, noahiana fa mpanam-bola saodianina no nanome io vola io, nefa izy nilaza fa vidina osodoko.
Misy ihany koa nahatrarana fampiasana lelavola tokony ho karaman'ireo mpanao fanadihadiana sy mpanara-maso ny asan'ny polisy, nefa nifampizaran'ny kabinetran'i Filoha teo aloha Nicolas Sarkozy.

Any Frantsa moa ny sazy latsaky ny 2 taona dia azo alamina ny fomba hitazonana azy, tsy voatery hiditra ny fonja.

(Sary nindramina - Claude Guéant eo ankavian'i Sary Kadhafi)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.