Zimbabwe: Raikitra ny sakoroka vokatry ny fiakatry ny vidi-tsolika, 3 no maty

  • mercredi, 16 janvier 2019 18:11
  • Tigre
  • Sary nindramina

Nanomboka ny alatsinainy 14 janoary teo no niakatra avo roa heny ny viditsolika any Zimbabwe. Tsy niandry ela ny olona fa avy dia nidina an-dalambe nanao fihetsiketsehana.

Nitsangana ny barazy teny ampovoan-dalana, nirehitra ny kodiarana.

Namaly ireo mpitandro ny filaminana, tao ny nampiasa bala tena izy, raikitra ny tora-bato, ary nisy polisy tratran'ny fitsaram-bahoaka tamin'ny tora-bato.

Zambabwe moa dia tao anatin'ny firenena mahantra indrindra teo amin'ny fitondran'i Robert Mugabe izay noterena hametram-pialana, nanome ny toerany an'i Emmerson Mnangagwa, ary voafidy 1er tour dé vita taty aoriana, izay nampanantena ny famoahana aingana ny firenena ao anatin'ny krizy ara-toe-karena fa hatreto dia mitotongana hatrany, ka na ny devise dollar aza dia tsy hita eo amin'ny tsenam-bola intsony.

Tsy misy menaka, mofo, siramamy ary fanafody intsony ny toerana maro.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.