CPI: Nanao fampakarana ny didy mamoaka an'i Laurent Gbagbo ny fampanoavana

  • mercredi, 16 janvier 2019 17:17
  • Tigre
  • Sary nindramina RFI

Omaly dia novotsoran'ny Fitsarana ady heloka iraisam-pirenena ny Filoha teo alohan'ny Côte d'Ivoire, Laurent Gbagbo sy ny minisitry ny tanora teo aloha Charles Blé Goudé, rehefa nigadra efa ho 7 taona tany La Haye. Tsy ampy ireo porofo anenjehana azy ireo hoy ny fitsarana.

Avy hatrany anefa dia nanao fampakarana ny Fampanohavana, ka nangataka ny famotsorana vonjy maika, ka tazonina amin'ny toerana arovana, ary tsy omena pasiporo (résidence surveillée).

Mandinika momba izany ny tribonaly ary amoaka didy tsy ho ela.

Ireo mpomba ny Laurent Gbagbo any Côte d'Ivoire moa dia manaraka akaiky toe-draharaha.
Fantatra koa anefa fa misy didim-pitsarana tsy natrehan'i Laurent Gbagbo navoakan'ny Tribonaly Côte d'Ivoire momba azy, ka raha avy dia mody any izy, dia ho raisim-potsiny.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.