Antenimieram-pirenena: Tapitra amin’ny 5 febroary 2019 misasakalina ny fepotoam-piasan’ireo depiote amperinasa

  • mardi, 15 janvier 2019 15:27
  • Britto

Araka ny andininy faha-2 amin’ny hevitry ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana laharana 01-HCC/AV tamin’ny 16 febroary 2018 dia tapitra amin’ny 5 febroary 2019 misasakalina ny fahefan’ny Antenimieram-pirenena sy ny asa niandraiketan’ireo solombavam-bahoaka voafidy tamin’ny 29 desambra 2013 mandrafitra azy.

Hatreto tsy mbola voafaritra ny datim-pifidianana solombavam-bahoaka, tsy mbola misy rahateo fiantsoana mpifidy, izay tsy maintsy atao farafahakeliny 90 andro mialoha ny latsabato.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.