Ikopa: Nitsoraka namono tena ilay vehivavy

  • lundi, 14 janvier 2019 14:53
  • Tigre
  • Sary fanehoana Gasypatriote

Tokony tamin'ny mitatao vovonana teo, nisy vehivavy mody nipetraka teo amoron'ny barazy Ikopa Antananarivo, tsy nanampo ny rehetra fa tampoka teo dia nitsoraka teo andrefan'ny barazy izay misy rano be miodina vokatry ny fisotonan'ny moteran'ny Jirama, mampiakatra ny rano ho ao Andohanimandroseza, rano fisotron'Antananarivo Renivohitra.

Tsy nisy sahy niditra ny vatan-dehilahy fa mahery loatra ny rano, sady efa avo be vokatry ny rotsakorana maro be andro vitsy izay, maty ilay vehivavy natopan'ny rano.

Raha ny resaka teny an-toerana, dia vokatry ny adim-piainana no mety anton'izao famonoana tena izao.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.