Ambanja: Nirehitra ny tranon’i Ali Sarety, filohan’ny K25

  • samedi, 12 janvier 2019 13:10
  • Britto

Efa afo miledaleda omaly tamin’ny 3ora maraina no tsikaritry ny olona,  tao amin’ny toerana misy ny tranon’ny depioten’Ambanja teo aloha, voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tiako i Madagasikara ary filohan’ny K25 tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2018 farany teo.

Tsy fantatra mazava hatreto ny niandohan’ny afo hatreto. Ny marihina dia tao anatin’ny delestazy tsy nampirehitra ny jiro ny fotoana nitrangan’ny loza, ny andro ihany koa avy orana io alakamisy alina hifoha ny zoma io.

Trano fivarotana iray, miampy kioska sy « multi-service » no may.

Toerana mifefy eo amin’ny Fokontany Begavo, manamorona ny lalam-pirenena faha-6 ity niharan-doza ity.

Misokatra ny fanadihadiana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.