Tanjombato: Lehilahy namono tena nitsoraka anaty rano avy eny ambony tetezana

  • vendredi, 11 janvier 2019 15:30
  • Tigre
  • Sary Gasypatriote

Efa nidoboka ny rano vao taitra ny teny amin'ny manodidina, nisy lehilahy efa zokijonkiny ihany nitsambikina avy eny ambony tetezana.

Nifamonjen'ny vatan-dehilahy teny, ka dia nifampitadiavana tao anaty rano, nefa ny rano avoavo ihany vokatry ny rotsak'orana marobe efa telo andro izay, mahery koa ny fisinton'ilay barazy eo akaiky eo.

Nantsoina ny mpamonjy voina, mirahalahy no mifandimby mitady miaraka amin'ny tavoahangy misy rivotra, ary fatorana tady mihitsy ny mpijibika fa mafy ny rano. Efa ho ora iray nialana teny an-toerana mbola tsy hita ilay lehilahy.

Raha ny filazan'ny manodidina teo, dia ny onjam-piainana mafy loatra no mety nahatonga ny fihetsika toy izao.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.