Befandriana Avaratra: Nitarina telo volana ny fampiantoana amin’ny asany ny Ben’ny Tanàna

  • jeudi, 10 janvier 2019 13:54
  • Zakaria

Raha tokony ho tapitra amin'ny 15 janoary 2019 ny fampiatoana iray volana amin’ny asa ny Ben’ny Tanànan’i Befandriana Avaratra, Faritra Sofia, HVM Jonah Parfait Prezaraly, dia efa navoaka sahady ny 4 janoary 2019 ny didim-pitondrana, soniavin’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, manitatra telo volana vaovao indray io fampiatoana azy amin’ny asany io.

Ny lefitra faharoan’ny Ben’ny Tanàna no miandraikitra feno ny asan’ny Ben’ny Tanàna mandritra izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.