Fitsarana: Hotsaraina anio ireo voasambotra teny amin’ny kianja 13 mey

  • jeudi, 10 janvier 2019 13:00
  • Britto

Hijery ireo porofon’ny hosoka tamin’ny fifidianana fihodinana faharoa, halefa amin’ny fafana lehibe (écran géant) no nahatongavan’izy fito lahy, toy ireo olona maro niazo ny Kianjan’ny 13 mey, araka ny fiantsoan’ny mpitarika ny fitakiana ny hamoahana ny marina tamin’iny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa 2018 iny, hetsika niatomboka tamin’ny 29 novambra 2018.

Nosakanan’ny mpitandro ny filaminana ny fidirana io toerana malalaka manoloana ny Lapan’ny Tanàna io, ary niafara tamin’ny fisamborana izany.

Anisan’ireo voasambotra izy fito ireto tamin’ny sabotsy 5 janoary 2019. Notazomina amponja vonjimaika nanomboka tamin’ny alatsinainy 7 janoary izy ireo, dia izao hiakatra fitsarana anio izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.