Etazonia: Manohana tanteraka ny HCC

  • mercredi, 09 janvier 2019 17:06
  • Zakaria

« Etazonia dia manohana tanteraka ny HCC sy ny andraikitra nankinin'ny Lalampanorenana taminy, raha namoaka ny vokatra ofisialin'ny fifidianana filoham-pirenena malagasy izy ireo tamin’ity andro manan-danja ity. Miarahaba ny Filoha voafidy Andry Rajoelina sy ny vahoaka Malagasy izahay noho ny fahavitan'iny fifidianana demokratika iray iny » araka ny fanambaran'ny Mpiandraiki-draharahan'ny Masoivohon'i Etazonia Stuart Wilson momba ny vokatra ofisialin'ny fifidianana filoham-pirenena malagasy.

« Miantso ny tsirairay izahay hanaja ny filaminana ary hisoroka ny herisetra, hanaja ny Lalampanorenana, sy ny fanapahan-kevitry ny HCC, ary indrindra ny safidin'ny maro an'isa. Etazonia dia manantitra hatrany ny fanohanany ny demokrasia eto Madasigasikara ary ny fahavononany hijoro hatrany eo anilan'ny vahoaka Malagasy ».

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.