IST: Mikonokonina ny angataka fanakanana tsy hivoaka an'i Madagasikara ho an'ireo mpitarika hetsika ny fitondrana

  • lundi, 07 janvier 2019 14:57
  • Tigre

Taorian'ny fametrahan'i Primatiora fitoriana an'ireo mpitarika ny hetsika fitakiana ny fahamarinan'ny fifidianana etsy amin'ny kianjan'ny 13 mey, dia re izao fa mikonokonina ny angataka Interdiction de sortie du territoire na IST, ho fanakanana an'i Mbola Rajaonah, Fidèle Razarapiera, Rahajason Harry Laurent (Rolly Mercia), Eliane Virginie Bezara (Ninie Donia), Fernand Cello, James Ratsima ary Fanirisoa Enarivo (Faniry), tsy hivoaka an'i Madagasikara ny mpitondra ankehitriny.

Re ihany koa fa efa mandeha ny ketrika ny hisamborana azy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.