Gabon: Nitrangana fanonganam-panjakana

  • lundi, 07 janvier 2019 13:05
  • Britto
  • Sary nindramina

Lietnà Ondo Obiang Kelly, mpikambana ao amin’ny vondron-tafika mpiambina ny filoha no nitarika andiana miaramila misatro-maitso namaky fanambarana tao amin’ny radio nasionaly androany vao mangiran-dratsy ary nilaza fa mijoro izao ny « Conseil national de la restauration ».

Tsy eo an-toerana efa hatramin’ny 24 oktobra 2018 ny filoham-pirenena tompon-toerana, Ali Bongo, noho ny AVC (Accident Vasculaire Cérébral) manjo azy, ka nitsaboany tena tany Arabie Saoudite ary manohy izany fitsaboan-tenany izany any Maroc ankehitriny.

Nanao fanambarana ny atoandro teo ny minisitry ny filazam-baovao any an-toerana, sady mpitondratenin’ny governemanta Guy-Bertrand Mapangou, fa efa voasambotry ny zandary avy amin’ny GIGN (Groupe d'intervention de la Gendarmerie Nationale) ireo miaramila mpikomy ary voafehy ny toe-draharaha.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.