RDC: Ahemotra ny famoahana ny vokam-pifidianana

  • dimanche, 06 janvier 2019 10:27
  • Tigre
  • Sary nindramina

Raha anio alahady no nokasaina amoahan'ny CENI ny vokam-pifidianana vonjy maika ny fifidianana filoham-pirenena any Kongo, dia vao 50% n'ny vokam-pifidianana no tonga eo amin'ny CENI, ka dia tsy maintsy mihemotra ny famoahana ny vokatra.

Tsy mazava amin'ny maro moa ny nampiasana ilay "machine à voter", nefa dia mbola manangona ireo bileta narotsaka anaty vata fandatsaham-bato indray. Ilay machine à voter tokoa manko, rehefa vita ny safidy amin'ny fikasihana ilay écran machine à voter, dia mamoaka bileta misy ny safidy izy, dia iny bileta iny indray no alatsaka anaty vata. Dia miverina toy ny fifidianana misy bileta rehetra, manisa vato, manao PV, mampiakatra vokam-pifidianana.

Hatreto dia tsy mbola mandeha ny internet any an-toerana, ary ny mpanao gazetin'ny RFI dia nody any Paris, satria dia tsy mahazo mandeha any Kongo ny onjam-peon'ny Radio France Internationale.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.