RDC: Notsoahan'ny mpitondra ny fahazoan-dalan'ny RFI

  • mercredi, 02 janvier 2019 17:23
  • Tigre
  • Sary nindramina

Taorian'ny fifidianana filoham-pirenena tany Kongo, dia notsoahan'ny mpitondra any an-toerana ny fahazoan-dalan'ny Radio France Internationale andefa vaovao any an-toerana. Melohan'ny mpitondra any an-toerana ny filazan'ny RFI ny fironan'ny vokam-pifidianana, nefa ny CENI mbola tsy nilaza ny vokam-pifidianana.

Lavin'ny RFI anefa izany fiampangana izany.
Efa 3 andro ihany koa izao no tapaka ny internet any an-toerana, misy moa ny milaza fa ny hanafenana ny mety fanodikodinana ny vokam-pifidianana no anton'izany.

Raha tsiahivina moa dia tsy nahazo alalana handrakotra ity fifidianana ity ireo mpanao gazety vahiny, sy ireo mpanara-maso iraisam-pirenena, nandà ny famatsiana ara-bola avy any ivelany ihany koa ny fitondrana kongolé amin'izao fifidianana filoham-pirenena, ny solombavambahoka nasionaly sy rejionaly izao.

Ny mahavariana ny maro, dia nampiasa machine à voter an'arivony ity Firenena isan'ny farany mahantra eran-tany ity, nefa dia mbola hiandry herin'andro vao hivoaka ny valim-pifidianana vonjy maika.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.