Kianja 13 mey: Hetsika fitakiana ny « marina » amin’ny fifidianana

  • mercredi, 02 janvier 2019 11:46
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Miditra amin’ny andro faharoa amin’ity alarobia 2 janoary 2019 ity ny hetsiky ny olom-pirenena mitaky ny « marina » tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa natao ny 19 desambra 2018.

Maro ny olona eny manodidina tamin’ny folo ora maraina, fotoana nifanomezan’ny mpitarika, saingy tsy mbola tafiditra noho fanakanana ataon’ny mpitandro ny filaminana, ireto farany izay miandry toromarika avy amin’ny Préfet de Police Antananarivo, jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian.

Efa eny an-toerana ireo solombavambahoaka tarihin’i Me Hanitra Razafimanantsoa, mifampiresaka mivantana amina kolonely iray, isany mpitarika ny mpitandro ny filaminana eny an-toerana, hanome alalana hiditra ao amin’ny "Parvis" Lapan'ny Tanàna.

Nanome alalana hidirana eo amin'ny "Parvis" ny Fiadidiana ny Tanàna.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.