Kianja 13 mai: Tsy avelan'ny EMMO hiditra ireo olona marobe mitaky ny marina momba ny fifidianana

  • mercredi, 02 janvier 2019 11:17
  • Tigre
  • Sary nindramina

Vao maraina dia ny mpitandro ny filaminana no nameno ny Kianja. Hatreto dia tsy mahomby ny fifampiraharahana ataon'ireo tompon'andraikitry ny hetsika sy ireo lehiben'ny Emmoreg eny an-toerana.

Ny prefet tsy hita, ary tsy azo an-telefonina.

Ireo mpitarika ny hetsika moa dia nikarakara écran géant anehoan'izy ireo ampahabemaso ireo karazana halabato hitan'izy ireo.

Milamina hatreto ireo vahoaka marobe mitaky ny marina momba ny fifidianana, miandry ny fandaminana, mitondra sy milanja sainam-pirenena.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.