HCC: Nahemotra hatramin'ny alatsinaina 31 desambra 2018 amin'ny 4 ora tolakandro ny farafandraisana ny fitoriana

  • samedi, 29 décembre 2018 14:23
  • Tigre
  • Tahirin-tsary Gasypatriote

Ireo mpifidy rehetra voasoratra anarana, ary nifidy dia afaka mametraka fitoriana eo anivon'ny HCC avokoa, raha nisy zavatra tsy nety tao amin'ny biraom-pifidianana nisy azy. 

Tahak'izany koa ireo délégué, na mpanara-mason'ny fifidianana, dia afaka mitory amin'ireo biraom-pifidianana nanan'izy ireo mandat.

Ilaina ny dika copie légalisée n'ny carte électorale misy sonian'ny tompony, ary nifidy, ilaina ny copie CIN légalisée, ary ny fitantarana ny zava-misy sy ny fitarainana, miaraka amin'ny porofo.

Ireo sary sy video dia tsy raisin'ny HCC araka ny fanapahana nataony tamin'ny 1er tour, fa alefa na omena ny solotenan'ny Kandida izy ireny, ka atao transcription par voie d’huissier. Izany hoe mila ny vaditany no manao ny fanamarinana ireny sary sy video ireny vao azo raisina.

Atao dika mitovy 3ex ny fitoriana, ny 2 ho an'ny HCC, ary ny fahatelo hanaovana accusé de réception.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.