Fifidianana: Mpitsara am-perinasa mampiseho mazava fironana amina Kandida

  • mercredi, 26 décembre 2018 13:30
  • Super User
  • Sary nindramina

Namana ianao ry Mpitsara Idealison, fa tena tsy azoko ity sary eto ity? Nanangona vokatra fifidianana raha ny sary no jerena, vokatra CENI ve ka nidiranao Mpitsara, sa vokatra N°13, ka inona no ataonao eo? Miaraka amin'ny tanana mazava?

Ny Mpitsara am-perinasa toa anao dia tsy afaka manao fihetsika toy izao, miasa eny amin'ny ministeran'ny fitsarana ianao, rehefa nesorina tsy ho directeur juridique n'ny présidence tamin'ny fotoana nitondran'i Filoha Rajaonarimampianina. Satria efa Directeur tao amin'ny Présidence ihany koa ianao tamin'ny fotoanan'ny Tetezamita HAT.

Mba miangavy kosa ny DPI (Direction de la Promotion de l'Intégrité) sy ny minisitry ny Fitsarana hijery an'izao sy hanao remis à l'ordre.

Tsy manambany ireo mpitsara eny anivon'ny SRMV, fa mipetraha ianareo amin'ny toerany, mpitsara ambony be toy izao no mitety faritra manangom-bokatra dia tsy hifitsaka ve izy?

Tsy misorona.
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.