Bealanana: Niditra an-tsehatra ny Polisy nanasaraka ireo mpanao propagandy

  • jeudi, 13 décembre 2018 18:02
  • Britto

Mafanafana ny fampielezan-kevitra aty Bealanana, Faritra Sofia. Androany raha samy teny an-dalana dia nobahanan'ny kubota nitondra mpanohana ny kandida 13 Andry Rajoelina, tarihin'ny solombavam-bahoaka voafidy tato Bealanana ny lalan'ireo fiara kamiao sy sprinter nitondra ireo mpomba ny kandida 25 Marc Ravalomanana.

Nendahin'iretsy voalohany ny afisy tamin'ireo fiaran'ny mpifanandrina. Voatery niantso Polisy ireto farany. Tonga ny mpitandro filaminana nandrakitra an-tsoratra ny zava-nitranga sy niditra an-tsehatra nisorohana ny fifandonana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.