Ambalavao Tsienimparihy: Nosatasotaina ny fampielezankevitry ny kandida Marc Ravalomanana

  • jeudi, 13 décembre 2018 17:27
  • Britto

Nanao fanambarana tamina radio maromaro ny kandida Marc Ravalomanana androany atoandro fa nosotasotaina ny fampielezankevitra nataony tao Ambalavao Tsienimparihy. Norakofan’ny avy amin’ny mpifaninana sarin’ny kandida Rajoelina sy saina misy sarin’ity kandida ity ny toerana hanaovany fampielezankevitra.

Nandeha nankany amin’ny lehiben’ny Distrika ny raiamandreny teo an-toerana nampahafantarana ny zava-misy sy handraisana fepetra manoloana izany saingy tsy hita ity solontenam-panjakana ity.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.