RDC: May ny foibe-toeran'ny CENI

  • jeudi, 13 décembre 2018 14:26
  • Tigre
  • Sary nindramina

Atao ny 23 desambra izao ny fifidianana filoham-pirenen'ny Repoblika demokratikan'i Kongo, ny fifidianana solombavambahoaka ary ny faritra, nefa io maraina io dia nidonaka may ny foiben-toeran'ny vaomiera manokana momba ny fifidianana any an-toerana.

Nirehitra ao avokoa ny taratasim-pifidianana, sy ireo urne, isoloir, machine à voter efa ho 7000 isa.

Nilaza anefa ireo tompon'andraikitra fa tsy mampiova ny fikarakarana ny fifidianana izao tranga izao, satria 10% n'ny fitaovana ihany ireo may ireo.

Tsy mbola fantatra aloha hatreto ny anton'izao firehetana izao, fa ahiana ho niniana natao satria niainga tamin'ny toerana roa niaraka ny afo.

Mifanilaka ireo Kandida, ka lazain'ny mpanohitra fa ny kandidam-panjakana no te hanemotra ny fifidianana.

(Jereo Sary Tohiny)

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.