Sambava: Mitobaka eny an-tsena ny ‘’sardine’’

  • mercredi, 12 décembre 2018 14:29
  • Zakaria
  • Sary Gasypatriote Sambava

Tafiditra ao anatin’ny vanim-potoana mafana isika izao dia manaraka izany ny fiakaran’ireo hazandrano raha ny eto Sambava manokana. Fa omaly dia nitobaka betsaka teny an-tsena ny karazan’ireny ‘’sardine’’ ireny.

Mbola maro anefa ny tsy mahafantatra fa ao anatin’ny vanim-potoana tahaka izao, nanomboka ny volana novambra hatramin’ny faran’ny aprily dia tandindomin-doza ny fahasalaman’ny olombelona amin’ny fihinanana ireto karazan-trondro ireto noho fihinanan’izy ireo karazany algue izay mitondra poizina.

Ny olana anefa dia ataon’ireo mpivarotra mora vidy kokoa raha oharina amin’ny hafa izy satria 2000Ar efa mahazo ka lasa mirona amin’izany ny mpiantsena maro an’isa.

Tokony handray fepetra tandrify azy ny tsirairay mba tsy ho tonga amin’ny fitenena raha hatrizay dia nisoroka.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.