Fifidianana filoham-pirenena: Ho tonga amin'ny 8 desambra ireo bileta tokana

  • mercredi, 05 décembre 2018 16:52
  • Britto

Hivantana avy hatrany amina tanàna enina, Antsiranana, Sambava, Mahajanga, Toliara, Tolagnaro ary Antananarivo ireo bileta tokana avy natonta tatsy Afrika Atsimo, sy ireo taratasy fitanana an-tsoratra hampiasaina amin'ny fihodinana faharoa.

Halefa eny amin'ny Distrika avy hatrany, ary ny tompon'andraikitry ny CENI eny anivon'ny Distrika no mandefa ireo fitaovana ireo hatreny amin'ny birao fandatsaham-bato, araka ny fanazavan'ny filoha lefitry ny CENI Thierry Rakotonarivo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.